JML PARVIS ANALAKELY

Описание к видео JML PARVIS ANALAKELY

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN'NY RONONO, 01 JONA 2024
✅Anisan'ireo Firenana miisa 49 mankalaza ny "Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Ronono" i Madagasikara, ka natao ny 01 jona 2024 teo amin'ny Parvis Analankely ny hetsika fanamarihana, izay notarihin'ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana, Andriamatoa RATOHIARIJAONA R. Suzelin niaraka tamin'ny vondrona MDB-Profilait, izay Tetikasa ao anatin'ny AFAFI Centre, vatsian'ny Vondrona Eropeanina vola.
🌿Antoka ho amin'ny fanjarian-tsakafo ny ronono, mbola ambany anefa ny taha fanjifana sy fihinana izany eto Madagasikara, mbola latsaky ny 7litatra/olona/ isan-taona raha toa ka 40 litatra/ olona/ isan-taona atsy Afrika.
✅Zava- dehibe araka izany ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana Ronono, dingana hanatrarana ny tanjona amin'ny fahavitan-tena ara-tsakafon'ny Malagasy. Izany koa dia hanampiana ireo tantsaha mpamokatra, mpiompy amin'ny fitadiavana lalam-barotra ho an'ny rojom-pihariana Ronono, fa indrindra hahafahana manampy amin'ny fanodinana ny Ronono ho lasa vokatra hafa toy ny fromage, yaourt sns izay manana kalitao tsara sy manaraka ny fenitra.
✅Dingana lehibe ao anatin'ny fanatsarana ny kalitao ny ronono izao hetsika izao, satria miainga amin'ny fikarakarana ny reny omby, ny fahasalamany sy ny sakafony, ary ny fandrindrana ny fahaterahany, hatramin'ny fanatsarana ny taranak'omby.
✅Araky ny andry faha 2 izay iankinan’ny Politika ankapoben'ny Fanjakana, miompana amin’ny fampiroboroboana ny ara-indostria sy ny fanodinana ny ara-toekarena, dia hikatsaka ny hanatsarana hatrany ny vokatra ronono ny MDB ho tombontsoan'ny mpamokatra fa indrindra ho an'ny mpanjifa Malagasy, mba hanalefahana ny tsy fanjarian-tsakafo.
👉Nomarihina tamin'ny alalan'ny don-kaopin-dronono ny fankalazana ho fenehoana fa ilain'ny vatan'olombelona ny "Ronono" ary anisan'ny mitondra hery fiarovana, fahasalamana ary tanjaka.
👉Nisy ihany koa ireo tranoeva fampirantiana ireo vokatra maro isan-karazany azo avy amin'ny ronono; fanehoana ireo toby mpamatsy ronono manaraka ny fenitra sy tsara kalitao; fanaovana andrana sy fanehoana mivantana ny fitiliana ny kalitaon'ny ronono, izay nataon'ireo teknisianina eo anivon'ny MDB-Profilait teo an-toerana.
👉Raha ny Faritra Analamaga sy Itasy ary no nisitraka ny tetikasa teo aloha, dia hisandrahaka ho any amin'ny Faritra Vakinankaratra izany satria anisan'ny sompitry ny Ronono iny Faritra iny.
"Ronono, mahavelona ny rehetra"
lien de la version française: https://www.minae.gov.mg/.../celebrat...
#MINAE
#afaficentre
#MDB
#profilait

Комментарии

Информация по комментариям в разработке