Ô ry Jesoa mofo velona_Hira Katolika Malagasy

Описание к видео Ô ry Jesoa mofo velona_Hira Katolika Malagasy

Welcome to our YouTube channel dedicated to Malagasy Catholic music! We are delighted to share with you an inspiring collection of religious songs from Madagascar. Our channel is here to offer you a connection to your spiritual heritage.

Bienvenue sur notre chaîne YouTube dédiée à la musique Catholique Malagasy ! Nous sommes ravis de partager avec vous une collection inspirante de chansons religieuses en provenance de Madagascar. Notre chaîne est là pour vous offrir un lien avec votre héritage spirituel.
#HiraKatolikaMalagasy #HiraKatolikaMalagasy #hirakatolikamalagasy


Ô ry Jesoa mofo velona,
Ô ry Jesoa mofon’aina,
Ry Jesoa mofom-pitiavana
'Lay hanin-tohan-tsakaiza eny an-dalako eny
Isan’andro vaky mihiratra
Heriko eny an-dàlako eny, izaho toa nofo ihany

1- Tsiahiko ‘lay Samaritana e, tsy te-hangetaheta intsony
Ary Ianao ontsa vahoaka e, reraky ny hanoanana.
Dia indro Ianao nanome rano (in-2), tsy hampangetaheta intsony;
Dia indro nampitombo mofo, hanana amby sy hanandratra
Fa Mofon’ny fanantenana e, Ianao ry Mofon’Aina
Zovy moa no tsy hitraka e, voafahan’Ilay Aina!
Ilay Ain’Andriamanitra!

2- Raha mihinana anao aho ry Mofo ô, tsy olon’olom-poana akory,
F’olo-manana ao anaty, ‘zany herin’Andriamanitra
Ndrey izany hafaliako (in-2), ‘zany fetran’ny hasambarako,
Safononoka aho, ry Tompo, eny an-dalana izorako!
Fa tiako loatra Ianao ry Tompo ô, Teny zary tonga Nofo,
Nofo tonga Mofo indray anie, ary Mofo zary tonga Aina!
Ilay Ain’Andriamanitra!

3- Ianao ‘Lay Zanaharinay; hanina dia mampihavana.
Mampitraka ny fanahy e, tsy ho kivy an-tany efitra
Dia nitony ny hanoanako (in-2), amin-javatra miserana,
Fa ho mafy ny hetahetako, ho an’ilay harena miafina.
Fa Mofon’ny fanantenana e, Ianao ry Mofon’Aina
Zovy moa no tsy hitraka, voafahan’Ilay Aina
Ilay Ain’Andriamanitra!

Комментарии

Информация по комментариям в разработке