NY FAHASOAVAN'NY TOMPO NO NAHA TOY IZAO AHY
1. Nefa hoy Izy tamiko: "Ampy ho anao ny fahasoavako; fa ny heriko dia tanterahina amin'ny fahalemena."
2. Fa ny fahasoavan'Andriamanitra no nahatoy izao ahy; ary tsy foana ny fahasoavany ato amiko; fa efa niasa fatratra mihoatra noho izy rehetra aho, nefa tsy izaho, fa ny fahasoavan' Andriamanitra no niara-niasa tamiko.
3. Eny, izaho, izay kely noho ny kely indrindra amin'ny olona masina rehetra, no nomena izao fahasoavana izao, dia ny hitory amin'ny jentilisa ny haren'i Kristy tsy hita lany,
4. Fa tamin'ny fahafenony no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
5. Eny tokoa, fahasoavana sy famindrampono hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako, dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah andro lava aho.
6. Ary satria samy manana fanomezam-pahasoavana samy hafa isika, araka ny fahasoavana izay nomena antsika: raha faminaniana, dia aoka hatao araka ny ohatry ny finoana; raha fanompoana amin'ny fiangonana, dia aoka ho amin'ny fanompoana; raha mampianatra, dia aoka ho amin'ny fampianarana; raha mananatra, dia aoka ho amin'ny fananarana; izay manome, dia aoka ho amin'ny fahatsoram-po; izay manapaka, dia aoka ho amin'ny fahazotoana; izay mamindra fo, dia aoka ho amin'ny fifaliana.
7. Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, Izay miasa ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. Ary izy rehetra dia samy nomena ny fampisehoana ny Fanahy hahasoa. Fa ny anankiray nomen'ny Fanahy teny fahendrena, ary ny anankiray teny fahalalana, araka izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray finoana, amin'izany Fanahy izany ihany, ary ny anankiray fanomezam-pahasoavana hoenti-mahasitrana, amin'izany Fanahy iray izany ihany, ary ny anankiray ny manao fahagagana, ary ny anankiray ny maminany, ary ny anankiray ny mahafantatra fanahy samy hafa, ary ny anankiray ny miteny amin'ny fiteny samy hafa tsy fantatra, ary ny anankiray ny mandika fiteny tsy fantatra.
Ireo Boky sy Toko ary ny Andininy ahitana ireo VERSETS CLES ireo ao @ Baiboly :
(1) II Koritiana 12 : 9
(2) I Koritiana 15 : 10
(3) Efesiana 3 : 8
(4) Jaona 1 : 16
(5) Salamo 23 : 6
(6) Romana 12 : 6 – 8
(7) I Koritiana 12 : 4 - 10
Vatomandry 16 Desambra 2020
A). MES 4 PAGES FACEBOOK :
1. MES VERSETS BIBLIQUES PREFERES DR:
/ mesversetsbibliquespreferesdr
2. MES ESPACES EVANGELIQUES DR :
/ mesespacesevangeliquesdr
3. MES VIDEOS EVANGELIQUES DR :
/ mesvideosevangeliquesdr
4. TSARA NY TOMPO ISANANDRO :
/ tsaranytompoisanandro
B). MON SITE EVANGELIQUE :
https://caldenmadagascar.wordpress.com/
C). MES COORDONNEES ET MES RESEAUX SOCIAUX :
1. NUMERO TELEPHONE / WHATS APP : +261. 34.09.759.39
2. E- MAIL : [email protected]
3. ADRESSE : Vatomandry MADAGASCAR
4. LINKED IN : / doctor-rivolala-andrianantoavina-5199594b
5. TWITTER : / docrivolala
6. INSTAGRAM : / rivolalaandrianantoavina
7. FACEBOOK : / rivolala.andrianantoavina
8. PEARLTREES : http://www.pearltrees.com/rivolala
9. ASSOCIATION CALDEN : http://caldenmadagascar.blogspot.com/...
JESUS VOUS AIME.
QUE DIEU VOUS BENISSE ABONDAMMENT
Информация по комментариям в разработке