Zahatany 06 Janvier 2024 |Letchis de la Région Atsinanana et Manutention d'exportation de la SMMC|

Описание к видео Zahatany 06 Janvier 2024 |Letchis de la Région Atsinanana et Manutention d'exportation de la SMMC|

Zahatany Toamasina: naompana amin'ny voankazo letchi

Ny letchi dia voankazo fanondrana ahalalana an'i Madagasikara any Erôpa noho ny vokatra avy eto amintsika mpamatsy tsena any isaky ny krismasy sy farany taona ary taom-baovao

Ampasinambo Agro Camping, toeram-pizahantany iray manome lanja ny karazan'ny voankazo misy ao amin'ny Faritra Atsinanana, ka rehefa mankany ianao dia mihinana voankazo izay laninao sy mety aminao fa 29 karazana ny voankazo ao. Valdo no hampahafantatra tsara azy antsika

Narahin'ny Zahatany avy any Ampasinambo Agro Camping ka hatreny amin'ny seranan-tsambon'i Tomasina ny fomba fiotazana sy fanondranana letchi avy eto amintsika.

marihina fa 18 000 taonina eo ny letchi naondrana tamin'ny taona 2023, sambo lehibe telo no nitatitra azy raha toa ka sambo roa hatramin'zay, ny orinasa SMMC (Société de Manutention des Marchandises Conventionnelles) no misahana ny fikirakirana ireo letchi ireo rehefa ampidirina anaty sambo hitondra azy avy eto amintsika

Manampy amin'ny fampahafantarana an'i Madagasikara ny fanondranana letchi, mitondra mariky ny Madagasikara isaky ny orinasa mpanondrana avy mantsy ny fonon'ny letchi izay haranty amin'ny tranom-pivarotana lehibe isankarazany any Erôpa, eo koa ny kalitaon'ny letchi avy aty amintsika izay ho tsiroin'ny mpanjifa vahiny.

Antony rehetra ireo no nohararaotin'ny Zahatany nanasongadinana ny voankazo letchi sy fanondranana azy ato anaty fandaharana

Manasa anao hanaraka hatramin'ny farany !

Комментарии

Информация по комментариям в разработке