Tantara Malagasy - SOA IHANY (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho

Описание к видео Tantara Malagasy - SOA IHANY (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho

SOA IHANY

Tantaran'i Radio Don Bosco
Tantara indray miseho
Tantara Malagasy

Mpitantana orinasa Andriamatoa Ralison ary manana zanaka vavy iray atao hoe Mendrika, tena kizintina sy masiaka loatra, mpanao tsinotsinona ny mpiasa ao amin'ny orinasa. Rosa no sekretera mpiara-miasa amin'Andriamatoa Ralison, izay tale jeneraly sady tompon'ny orinasa, nialatsiny tamin'ny toetra feno avonavona nasehon'ny zanany vavy ilay tale. Nanana olotiana atao hoe Kiady , efa niaraka taminy ela i Rosa.

Nifankahita tao amin'ny toeram-pisakafoana mahazatra, i Kiady sy Mendrika, nanao fihetsika samihafa hisarihana io tovolahy bikàna io ramatoakely Mendrika. Nankahala tanteraka ilay sekretera i Mendrika ary noapangainy ho miaraka amin'i rainy. Rehefa tafaresaka Andriamatoa Ralison sy ilay zanany vavy dia nazava tamin'ity farany, ny fifandraisana nisy teo amin'ilay sekretera sy ilay tale. Noho ny tsingerin-taona nahaterahan'i Mendrika dia nanasa an'i Rosa sy Kiady izy, ary teo no nanohizany ireo paik'ady nisarihany an'i Kiady. Nasian'i Mendrika fanafody ny zava-pisotro nosotroin'i Rosa ary coma izy, anefa nahazo fitsaboana teny amin'ny hopitaly ; hita tamin'ny fitilina fa nisy nanolana i Rosa. Nanao ny fikarohana izay nahavanona ny fanolanana i Kiady...

Mpanoratra : MAMINIAINA

Mpilalao : Rakoto, Faly, Anjahariliva, Niravo, Antsa-Ravaka


Nandray feo : Tovo Razanamamonjy

Nanatontosa : Tovo Razanamamonjy

#tantara
#soaihany
#sarymihetsika

Комментарии

Информация по комментариям в разработке