"Teny malagasy ahefan-draharaha" na ilay boky maneho ny azo ampiasana ny teny malagasy

Описание к видео "Teny malagasy ahefan-draharaha" na ilay boky maneho ny azo ampiasana ny teny malagasy

Azo ampiasana amin'ny raharaha anaty rafitra mazava iray ny teny Malagasy. Noporofoin'ireo mpampianatra mpikaroka avy ao amin'ny zanatsehatra Malagasy, ao amin'ny Fakiolten’ny Teny aman-tSoratra sy ny Siantsan’ny maha Olona eny amin'ny Oniversite An'Antananarivo izany, tamin'ny alalan'ny fanolorana ilay boky ''Teny Malagasy ahefahan-draharaha''. Lahatsoratra 16, novokarin'ireo Mpampianatra mpikaroka nanao famelabelaran-kevitra nandritra ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenindreny ny 21 febroary teo no voarakitra ao anatin'ity boky 276 takila ity. Natolotra ny sabotsy 30 jona teo tao amin'ny tranombokim-pirenena ity boky ity Ary azo jifaina amin'ny vidiny 40 000ariary.

Комментарии

Информация по комментариям в разработке