Ity hirako ity - Thiera Bruno (Lyrics gasy)

Описание к видео Ity hirako ity - Thiera Bruno (Lyrics gasy)

Ity hirako ity - Thiera Bruno (Lyrics gasy) est une video lyric (tononkira/parole) gasy de "Ity hirako ity" par Thiera Bruno.


Merci pour votre visite 🤍

✔ Hira: Ity hirako ity - Thiera Bruno

✔ Disponible sur Facebook:
https://fb.watch/6p_34QmWEM/

Ity hirako ity - Thiera Bruno (Lyrics)

Ity hirako ity dia atolotro anao,
Hatsiarovanao ny anarako
Raha ho lasa any ianao ka ho lavitra ahy,
Veloma mandrapihaona.

Aza adino lalan-dava fa mpinamana isika,
Tsy mba nifankafoy tety.
Mpihizara alahelo, mpihizara hafaliana
Izaho sy lanao, hatramin’izao.


REF:
Very namana aho nilaozanao
Ka iza indray izao no antenaiko
Hilazako ny manahirana ahy
Hisolo ny toeranao.


Tsy ny elanelan-tany na ny fahalavirana
No hampisy ny fanadinoana,
Fa sento tokana monja ary tsiahy iray minitra
Dia ampy hampiray antsika

Koa raha manina ianao, ka te-hanoratra
Ny aty tsy miova adiresy
Tsy miova fanahy, tsy miova fitia
Fa miandry, miandry anao.

🇲🇬 Malagasy miara-tafita no tanjona ✊🏽 🇲🇬

Contact: [email protected]

Комментарии

Информация по комментариям в разработке