hafatra, rossy

Описание к видео hafatra, rossy

Tononkira (Paroles) : Rossy - Hafatra

Tandremo sao tsy tsaroanao ilay hafatra,
Aza misy adino ataovy tonga lafatra;
Ny rediredin'ny foko kely adalako,
Ampombaiko anao omeo ilay malalako.
Tsy manadino hono hoe,
Raha tsy mahasoratra ho anao;
Fa ny alahelo anao no be, Ka mahalasa saina lava izao;
Fa mbola be ny zava-tiako hambara,

Nefa ampy izay, mandehana ianao sao tara.
Miala-tsiny raha toa miambakavaka,
Fa efa feno ny alahelo ka tsy zaka;
Miala-tsiny raha mando koa ny tavako,
Tsy tomany aho fa ditsoka, tongava soa

Комментарии

Информация по комментариям в разработке