Hasin'imerina : Tsy fehezim-bohitra na fokom-pianakaviana iray.

Описание к видео Hasin'imerina : Tsy fehezim-bohitra na fokom-pianakaviana iray.

Niparitaka tao ho ao ny fanambaràn’ny vohitra sy fokom-pianakavian’Andriana Merina iray ny maha-hasin’Imerina tokana azy ireo. Samy naharay taratasy mahakasika izany avokoa ireo Andriana isam-pianakaviana. Nijoro ho mandà io foto-kevitra io kosa ny Andriana Robert Randrianantoandro, mpitahiry ny hasim-piandrianan’I Madagasikara ao amin’ny tranoben’ny Merina Ambohimanga. “Maro isa ireo fokom-pianakaviana mandrafitra ny foko Merina ary samy tompon-kasina eto Imerina avokoa fa tsy misy azo tsinontsiniavina, sarotra ny milaza fa ny Andriana irery noho izy ireo nosafidiana hanjaka eto na manerana ny nosy no ho tompon-kasina tokana”. “Manana ny hasiny ihany koa ny fokom-pianakaviana Hova sy Zaza manga, ny Maintienindreny sy ny Manisotra ary ny Manendy sy ireo tsy voatanisa”hoy ny fanazavany. Nahitsiny fa ireo fokom-pianakaviana rehetra eto Imerina no mandrafitra ny “Hasin’Imerina”na dia ireo vohitr’Andriana aza no itoeran’ny Hasim-piandrianana izay vao nohajariana ny andron’ny Fandroana farany teo.
“Ireo fokom-pianakaviana Andriana sasany amin’ny ankapobeny no manimba hasina ireo fokom-pianakaviana misy, amin’ny fanindrahindrana ny hasin’izy ireo na manambara mihitsy aza fa azy ireo na ny toerana misy azy ireo ihany ny hasin’Imerina”Tsy ireo andriana rehetra anefa no voasahana ao anatin’izay fanivaivana fokom-pianakaviana hafa izay, fa ireo izay nanary ny fomba sy ny finoana maha-Gasy azy. Ireo izay voalaza ireo anefa tsy mahalala akory ny hasim-piandrianana mitoetra eo amin’ny vohitra misy azy, izany hoe ny hasim-piandrianan’ny tany sy ny fanjakàna ary ny vahoaka, ary tsy manasina izany intsony. Raha fehezina, tsy misy fokom-pianakaviana na vohitra iray afaka miteny fa izy ireo ihany no hasin’Imerina, toy izany koa ireo vohitr’Andriana rehetra misy eto Imerina dia samy itoeran’ny hasim-piandrianan’ny Merina avokoa.

Комментарии

Информация по комментариям в разработке