Mpamaky Ranomasina - Rija Rasolondraibe (TONONKIRA)

Описание к видео Mpamaky Ranomasina - Rija Rasolondraibe (TONONKIRA)

Toa misy olona kay ilay tany e
Nampanantenainy e
Dia mitolona indray ny @izany e
Mila tsy hahatoky izay nolazainy e
Rapeto mianakavy ao miandry vavahady e
Lehilahy mahery isan'andro izao
Tonga miantsy ady

Ny zavamisy mikiaka hoe:
Handeha ho aiza ise?
Tsy hainy hoe ny fanahiko anie efa nandre
Ny maso mijery milaza fa tapi-dàla-kaleha
Tsy fantany fa ny Andriamanitro anie ngezabe

Hanao làlana indray Izy e
Hanao làlana indray Izy e
Ny Tànany no hampiampita
Ny zanany tsy maintsy ho tafita
Hanao làlana masina e
Lay mpamaky ranomasina e

Manenjika ao aorinako ao Farao sy ny forongony e
Manao izay azony atao
Mampihorohoro ny godon'ny tongony e
Vavabe isan'andro sy zanatsipika e
Iza hono no Andriamanitra hahavonjy antsika e

Ny zavamisy mikiaka hoe...

Any @tany hay e
Hiboiboika loharano o o o
Tsy hisy adala ho very e
Ny varavaran'ny tranonay e
Tsy ho tafiditra angano o o o
Ny ràn'ny Zanak'ondry mahery e

Hanao làlana indray Izy e...

Комментарии

Информация по комментариям в разработке