tsara petrapetraka (lehilahy mody) TSELONINA (audio/tononkira)

Описание к видео tsara petrapetraka (lehilahy mody) TSELONINA (audio/tononkira)

Fa tovovavy jefijefy, kala toa fetsifetsy
no nahataratara an’ahy,
’zaho moa avy any an-tsaha
roa taona nifanadala akia
izay aho vao mahalala

mba tsara petrapetraka, tsara fitapitaka
tsara petrapetraka tena tsara fitapitaka
lehilahy mody, lehilahy mody izao no famindrako(2)

nifanao fotoana teny amoron-kady tolakandron’ny alahady, namokovoko niakatra tsy nahalala sasatra
sempotra nitranga lela any aho
izay aho vao tonga saina
....

Tsy hita maraina manjavona hariva
tsy mahatombon-tsiraka,
ianao toa mandreraka
izaho mivalanketraka a
nataonao papangon-jaza any aho
atsipinao dia ahoron-tady e
....
Nanaovako kopile kravaty satroka bonetra tsara
dia iny fa nanaraka ahy
handeha hijery cinéma
nisikinako lambahoany indray andro
nilaza fa tsy ao an-trano
....
Miakatra ny vokatra andro fararano
andron’ny tsena be
ny paosin’ny malabariko amin’izany feno vola be dia be
dia niditra an’ilay hotely any aho
lany vola niala maina
.....
nankalazaina fa andro asabotsy no hatao ny raharaha
izaho moa efa sahy
fa izy koa tsy nandà,
fa andro fampakarambady anie
izay vao nifampitady
......

Комментарии

Информация по комментариям в разработке