Tantara Malagasy HIAKAN JAZAVAVY Tantaran'ny Radio RDB Tantara Indray Mihaino

Описание к видео Tantara Malagasy HIAKAN JAZAVAVY Tantaran'ny Radio RDB Tantara Indray Mihaino

[TANTARA] HIAKAN-JAZAVAVY
Tantaran'i Radio Don Bosco

Voaray ho mpampianatra mpiasam-panjakana i Vatosoa rehefa nikaroka hevitra samihafa ary voatendry hiasa ao Arivonimamo. Ity tovovavy ity dia voafitaka tamin'ny fiainam-pitiavana satria nampifilafilain'ireo olo-tiana roa nifanesy. Nampitombo ny hambom-pon'i Vatosoa ny olana nolalovany. Faly ary mirehareha ny amin'ny fahazoan'i Vatosoa asa sy andraikitra ingahy Randria sy Ravololona, ray aman-dreniny.

Nanana faniriana hanambady i Vatosoa ary i Claude no safidiny hiara-dalana aminy amin'ny fanambadiana. Nahasanganehina an'i Claude anefa ny fahasahian'i Vatosoa hangataka azy, hiaraka hanorina fitia aminy. Noferan'ny ray aman-dreniny i Vatosoa mba tsy hanohitra ny fomba amam-panao Malagasy satria tsy fanao izany vehivavy mangataka lehilahy ho vady. Tsy nanaiky ny fomba nitondran'i Vatosoa sy Claude ny fiainam-pitiavany ireo ray aman-drenin'izy ireo. Miady mafy ny hanana zo mitovy amin'ny lehilahy i Vatosoa, amin'ny sehetra rehetra afahana maneho izany.

Mpanoratra : Randrianavony Arsène

Mpilalao : Régis, Vololona, Voahangy, Arikôms, Anjahariliva, Mahefa

Nandray feo : Jean Jeacques Randrianarivony

Mpanatontosa : Arikôms Randria

Tantara RDB
Tantara Indray Mihaino
Tantara Malagasy

Комментарии

Информация по комментариям в разработке