Tantara Malagasy - LOZA MIANTONA (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho

Описание к видео Tantara Malagasy - LOZA MIANTONA (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho

LOZA MIANTONA

Niakatra tany an-drenivohitra i Tanjona mba hitady ny anadahin-dreniny, tsy nahita trano handriana izy, sendra an'i Ramatoa Sophie, ka io no nanampy azy sy nandray an'i Tanjona ho mpiasa ao aminy. Mpifankatia i Sophie sy Jonah, ary mifankahazo tamin'ni Tanjona tsara. Afa-po tamin'ny asa nataon'i Tanjona ilay vehivavy tsara fanahy nandray azy hiasa, nisaotra an'ity farany i Tanjona ary nanome toky fa hanao ny asa araka izay tratrany.

Nandrisika an'i Tanjona haneho talenta ara-zava-kanto i Jonah, fa ampy hanomezana tombony tsara ho an'ilay vehivavy mpampiasa azy. Nanampy an'i Tanjona ireo mpampiasa azy ka nandrisika azy hanao fampisehoana ary vitan'izy ireo ilay seho. Nanohy nianatra i Tanjona ary afaka bakalôrea izy ary nanohy nivohy ny mozika, i Jonah no nahazo tombotsoa betsaka noho ity farany misoratena ho manager, manararaotra ny talentan'i Tanjona. Nampirafy an'i Sophie amin'i Miangola ary maniry hanao mariazy i Jonah. Nangalatra zavatra tao amin'i Sophie i Jonah ary noampangainy hoe i Tanjona no naka ireo firavaka ireo, niatrika ny olana i Tanjona.

Mpanoratra : R Ba Zezo

Mpilalao : Rakoto, Faly, Ony Mihajanirina, Holisoa

Nandray feo : Tovo Razanamamony

Nanatontosa : Holisoa

Tantaran'i Radio Don Bosco
Tantara indray miseho
Tantara Malagasy

#tantaramalagasy
#lozamiantona
#sarymihetsika

Комментарии

Информация по комментариям в разработке