Tantara Malagasy - NY RAIKO (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho

Описание к видео Tantara Malagasy - NY RAIKO (Tantaran'i Radio Don Bosco) Tantara indray miseho

NY RAIKO
Tantaran'i Radio Don Bosco
Tantara indray miseho

Nifamaly matetika i Nivo sy ny reniny, noho ny tsy fahafantarany ny ray niteraka azy. Niziriziry ny tsy hilaza ny momba ny rain'i Nivo ny reny niteraka azy. Nifankahita tamin'i Soa, teny an-dalana i Nivo, ka iry voalohany no nilaza fa zokin'i Nivo, nanazava i Soa fa iray ny rain'izy roa vavy dia ingahy Ravelosoa. Nampahafantarin'i Soa an'i Nivo fa manana zoky miisa 4 izy, nilaza moa i Soa fa misy ny boky nosoratan'i Ravelosoa, rain'izy ireo, mikasika ny tantaran'izy ireo, nisy sary ihany koa porofo.

Natolotr'i Soa an'i Nivo ny dika mitovy tamin'ilay boky nosoratan'ny rainy. Nanampy an'izay natolotra azy ihany koa ny taratasy manokana ho an'i Nivo nosoratan'i Ravelosoa. Nanafatra an'i Nivo ny zokivaviny mba tsy hampiseho ireo boky sy sary ho an'ny olona hafa, namarana ny resak'izy roa vavy ny fanomezana adresy, heverina fa hanohy ny hafaliana efa niainan'i Nivo nahalala ny tantarany. I Ramatoa Vero no tompon'ilay adresy nomena an'i Nivo, ka io Ramatoa io no nitantara ny zava-nisy rehetra, indrindra ny nandaozan'ny reny niteraka an'i Nivo ny tokantrano nisy azy.

Mpanoratra : RAMINOSOA Jeacques Aimé

Mpilalao :

Vanintsoa
Niravo
Holy
Anjahariliva
Flavien
Eric

Nandray feo - Mpanatontosa :

Tovo Razanamamonjy

Комментарии

Информация по комментариям в разработке