PM parvis

Описание к видео PM parvis

FANOMBOHAN'NY FANKALAZANA NY FAHA 64 TAONA NAHAZOAN'I MADAGASIKARA NY FAHALEOVAN-TENA SY NY FIJOROAN'NY FOLOALINDAHY MALAGASY.
« Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana amin’ny fitiavan-tanindrazana », io no lohahevitra hovoizina mandritry ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovan-tenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy Malagasy.
Nosantarina tamin’ny fomba ofisialy ny zoma 07 jona 2024 teo amin’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo ny fankalazana izany tsingerin-taona manana ny lanjany ho an’ny Firenena sy ny vahoaka Malagasy izany.
Tonga nitarika sy nanome voninahitra ny lanonana, sady nisolotena ny Filohan’ny Repoblika Andriamatoa Andry Rajoelina, ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian, notronin’ireo lehibe amin'ny Andrim-panjakana isan-tokony eto amin’ny Firenena Sivily sy Miaramila ary ny mponin’Antananarivo. Nosoritan’ny Praiminisitra tao anatin’ny lahanteny nataony fa manome lanja ny tolona nataon’ireo Ray aman-dReny tia tanindrazana tamin’ny ady mba hiverenan’ny fahaleovan-tena ny mpitondra fanjakana ankehitriny sy vahoaka Malagasy sady nanentana izy mba hananganan’ny isan-tokantrano ny sainam-pirenena, hanehoana ny firaisan-kina sy ny maha Malagasy manana ny fiandrianany antsika. Notohizana tamin’ny fitsidihana ny fampirantiana ireo raki-tsary maneho ny tantaran’i Madagasikara ny fotoana.
#MINAE
#MFA

Комментарии

Информация по комментариям в разработке