Havako ô, raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao dia hotahiana @ lafiny rehetra

Описание к видео Havako ô, raha mihaino tsara ny feon'i Jehovah Andriamanitrao hianao dia hotahiana @ lafiny rehetra

Isaia 19.1-25 - Pasteur Razafiarison Emilien - Mana isanandro vokarin'ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara

MAMIKO NY TENINAO
1. Fanilon'ny tongotro sy fanazavana ny lalako ny teninao.

2. Ato am-poko no iraketako ny teninao,mba tsy hanotako aminao.

3. Inona no hiarovan'ny zatovo ny lalan-kalehany tsy ho voaloto ? Ny fitandremana araka ny teninao.

4. Sambatra ny olona izay tsy mandeha eo amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy, ary tsy mijanona eo amin'ny lalana falehan'ny mpanota, ary tsy mipetraka eo amin'ny fipetrahan'ny mpaniratsira ! Fa ny lalàn'i Jehovah no sitrany; eny, ny lalàny no saintsaininy andro aman'alina.

5. Aoka tsy hiala amin'ny vavanao ity bokin'ny lalàna ity, fa saintsaino andro aman'alina, hitandremanao hanao araka izay rehetra voasoratra eo; ary amin'izany dia hahalavorary ny lalanao ianao sady hambinina.

6. Aoka ny tenin'i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin'ny fahendrena rehetra.

7. Ny lalàn'Andriamaniny no ao am-pony; tsy mba ho solafaka ny diany.

8. Raha miray Amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.

9. Madio ny fahatahorana an'i Jehovah, maharitra mandrakizay; marina ny fitsipik'i Jehovah, eny, mahitsy avokoa. Irina noho ny volamena ireny, eny, noho ny tena volamena betsaka aza; ary mamy noho ny tantely, eny, noho ny tantely mitete avy amin'ny tohotra.

10. "Ry zanak'olona, vokiso ny kibonao, ary fenoy ity horonan-taratasy omeko anao ity ny tsinainao." Dia nihinana aho, ka, mamy tao am-bavako toy ny tantely izy.

11. Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny Anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.

12. Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan'ny fo.

13. Tsy mofo ihany no hiveloman'ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan'Andriamanitra.

14. Izay soratra rehetra nomen'ny tsindrimandrin'Andriamanitra dia mahasoa koa ho fampianarana, ho fandresen-dahatra, ho fanitsiana izay diso, ho fitaizana amin'ny fahamarinana.

15. Mandra-piaviko tandremo ny famakian-teny, ny fananarana, ny fampianarana.

16. Fa fantatrareo voalohany indrindra fa ny famoahan-kevitry ny faminaniana ao amin'ny Soratra Masina dia tsy efan'ny fisainan'ny olona fotsiny ihany; fa tsy nisy faminaniana avy tamin'ny sitrapon'ny olona tany aloha rehetra; fa avy tamin'Andriamanitra no nitenenan'ny olona araka izay nitondran'ny Fanahy Masina azy

17. Dinihinareo ny Soratra Masina satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy.


(1) Salamo 119 : 105
(2) Salamo 119 : 11
(3) Salamo 119 : 9
(4) Salamo 1 : 1 – 2
(5) Josoa 1 : 8
(6) Kolosiana 3 : 16
(7) Salamo 37 : 31
(8) Jaona 5 : 7
(9) Salamo 19 : 9 – 10
(10) Ezekiela 3 : 3
(11) Jaona 14 : 26
(12) Hebreo 4 : 12
(13) Matio 4 : 4
(14) II Timoty 3 : 16
(15) I Timoty 4 : 13
(16) II Petera 1 : 20-21
(17) Jaona 5.39

****************************

MES 5 PAGES ÉVANGÉLIQUES :

1. MES VERSETS BIBLIQUES PRÉFÉRÉS DR:   / mesversetsbibliquespreferesdr  

2. MES ESPACES ÉVANGÉLIQUES DR :   / mesespacesevangeliquesdr  

3. MES VIDÉOS ÉVANGÉLIQUES DR :   / mesvideosevangeliquesdr  

4. TSARA NY TOMPO ISANANDRO DR :   / tsaranytompoisanandrodr  

5. HOAVY KRISTY, VONONA VE HIANAO ? DR   / hoavyikristyvononavehianaodr  

CONTACT :

1. TÉLÉPHONE / WHATS APP : +261. 34.09.759.39

2. E- MAIL : [email protected]

3. LINKED IN :   / doctor-rivolala-andrianantoavina-5199594b  

4. TWITTER :   / docrivolala  

5. INSTAGRAM :   / rivolalaandrianantoavina  

6. FACEBOOK :   / docteurrivolala  

7. ASSOCIATION CALDEN : http://caldenmadagascar.blogspot.com/...

JÉSUS VOUS AIME. (Gal. 2 :20)

QUE DIEU VOUS BÉNISSE ABONDAMMENT (Déo. 28)

Комментарии

Информация по комментариям в разработке