Angataho Lyrics | Rija Rasolondraibe OFFICIEL

Описание к видео Angataho Lyrics | Rija Rasolondraibe OFFICIEL

ANGATAHO

Angataho , Angataho
Angataho ny fanahiny fa homeny anao
Angataho , Angataho
Angataho ny fanahiny fa homeny anao

Hay va re ny Baiboly , manambara ny Fanahy
Hay va re ny Fanahiny mety ho anao mety ho ahy
Tsy nahalala aho hay mbola misy fahagagana
Fa ny Fanahiny dia hery sy fahazavana

Fa maro ny mino nefa tsy manana ny Fanahiny
Natakalo ny fomba, lasa mafy fo, be ahiahy
Ka ny marina, ny Baiboly indray no hadino
Ka tsy miorina, tsy mafy nefa mba mino


Maro ireo fomba fanao nataon’olombelona tompon-toerana izao
Fa ny Fanahy herin’ny finoana atahorana ho fatorana
Raha ho avy ny andro hanoloranao tena hanarahanao ny Ray dia...
Angataho ny Fanahiny,Ho herinao, ho herinao

Fa maty antoka izay mino an’Andriamanitra
Nefa tsy manana ny Fanahiny
Fa ny fanahy sy ny talenta no hanampy anao, hanampy anao

Angataho , Angataho
Angataho ny Fanahiny fa homeny anao
Angataho , Angataho
Angataho ny Fanahiny fa homeny anao

Mahatsara anareo ny fialako hoy Jesosy
Raha tsy hiala Aho, tsy ho avy ny Mpananatra
Raha handeha ho any amin’Ilay naniraka Ahy Aho
Dia ho irahiko Izy, ho aty aminareo, ho aty aminao

Fa raha tonga Izy, izy hampiaiky ny fahotana
Hampanao ny marina Izy, hampiaiky ny fitsarana
Hankalaza Izy, hanambara izay an’ny Ray
Hitari-dalana Izy,
Mandrapihavin’ny fiainana mandrakizay

Maro ireo fomba fanao nataon’olombelona tompon-toerana izao
Fa ny Fanahy herin’ny finoana atahorana ho fatorana
Raha ho avy ny andro hanoloranao tena hanarahanao ny Ray dia...
Angataho ny Fanahiny ho herinao, ho herinao

Fa maty antoka izay mino an’Andriamanitra
Nefa tsy manana ny Fanahiny
Fa ny fanahy sy ny talenta no hanampy anao, hanampy anao

Angataho , Angataho
Angataho ny Fanahiny fa homeny anao
Angataho , Angataho
Angataho ny fanahiny fa homeny anao




Suivez-nous sur les réseaux sociaux
Facebook |   / rijarasolondraibeofficiel  
Instagram |   / rijarasolondraibeofficiel  

Site web | https://rijarasolondraibe.com/

Комментарии

Информация по комментариям в разработке