𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 & 𝐑𝐀𝐁𝐎𝐔𝐒𝐒𝐀 🇲🇬 𝐙𝐀𝐙𝐀 𝐓𝐒𝐘 𝐓𝐈𝐀𝐍𝐀 (Be Mozik 2006)

Описание к видео 𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 & 𝐑𝐀𝐁𝐎𝐔𝐒𝐒𝐀 🇲🇬 𝐙𝐀𝐙𝐀 𝐓𝐒𝐘 𝐓𝐈𝐀𝐍𝐀 (Be Mozik 2006)

A/C : Samoëla RASOLOFONIAINA / Raboussa
Prise de son: Be Mozik! Studio et Talenta Velona

ZAZA TSY TIANA
Accident teny am-pandriana
Tratran’ny vohoka tsy niriana
Nanala zaza tsy nety nariana
Lasa niteraka, zaza tsy tiana
Ianao izao nilaza hoe, zon’ny ankizy
Nefa hatrizay aho, tsy afa-krizy
Dada tsy koty, bofy tsy kopy
Zaza maditra aho, zaza mitoky
Miova dada aho isan’andro
Raha mety ny tsena, dia isan’ora
Milaza hoe, ketrika rabofinay
Mivarotra derika anefa no hetsika
Tsy mba mifendro aho, tsy anki-taraina
Raha vao mikozy eo aho, voan’ny teha-maina
Aleoko mifitsaka ambany fandriana
Maheno mikiaka aho fa tsy asiako sira

Omenao tsiny ve izahay fa nahavita adalana
Nanolan-jaza tsy ampy taona, nandika lalana
Nefa mety tsy hoatr’izao izahay raha teo I dada sy I mama
Ampangaina toa jiolahy, tafakatra fitsarana
Vetivety monja, dia tonga teny am-ponja
Ny arabe no nitaiza, ny lalana no nitondra
Ny fiaraha-monina nandositra, tsy te-hahalala
Tsisy fanantenana, mba iaza ianao re ry mama

Refrain:
Fa raha ompa sy lasa
Dia fiainanay izany ry mama oh!
Raha vono sy lako
Zakanay izany madama oh!
Raha fonja sy gadra
Efa hitanay izany ry akama
Fa ny fitiavana sisa no mampitsiriritra

Lasa ny andro, nitombo ny taona
Raha vao tsisy sosy ‘ty lazainy fa poma
Raha be be saina ‘ty dia mba misoloky
Raha be be sandry ‘ty mangaro-paosy
Ity fianana ity anie ka feno herisetra
Ny kianja malalaka, tsy misy fepetra
Ny tsy mahay daomy, manano gretra
Ny revy, tsy revy, tsy misy fepetra
Nifoka jamala aho, Nanolan-jaza
Rehefa tsy faly aho, mivazavaza
Ny tao an-tanana moa efa tsy gaga
Fa hoe: zaka normal, raha toa ka migadra
Teny Anjanamasina aho, vao tonga saina
Hoe: Zaka tsy nampoizina, sa zaho no voahozona
Ny maraina mifoha aho, kekerin’ny nenina
Ny hariva hatory aho, latsain’ny penina

Oh! Ry dada, oh! Ry mama, mba hajao ny zonay
Omeo hasina, fitiavana ihany izahay
Ilay hetahetanay henoy, ary aza asiana teny ratsy
Ilay zo hianatra, sy hitafy
Fa raha tsy izany izahay higafy
Oh! Ry mpiara-monina, za mody ialana pa
Mba jereo ny momba ahy, far aha tsy izany aho midegah
Mba jereo ilay bandikely, fa za avela hikodia
Sao dia lasa adaladala amin’ilay maina, sy ilay pi eh!

Tonony sy feony : Samoela RASOLOFONIAINA

Комментарии

Информация по комментариям в разработке