FIMZOMPAM fitanterana

Описание к видео FIMZOMPAM fitanterana

Tsy misy ny fandraisana andraikitra
Mijanona mbola ho olana hatreto ny tontolony fitaterana raha tsy hiresaka ireo loza maro nifanesy tato anatiny fotoana fohy ny fanafihana mitam-piadiana mahazo ireo mpanao zotra nationaly .
Vokatr’izay notanterahina androany teto amin’ny IKM Antsahavola ny fitadiava-bahaolana sy ny fanangonan-kevitra hisorohana ireo loza ireo .
Hatreto antony mbola mampikatso ny asa fitaterana ny tsy fisiany fandrindrana ny asa eo amin’ireo sehatra voakasik’izany .
Fa anisany tena ilaina ihany koa ny fandraisana andraikitriny mpandeha raha ny nambarany Filohany Fimzompam satria ny mpandeha ihany koa no mampandika lalana ireo fiara fitateram-bahoaka ireo. .
Na dia olany mpitatitra aza no nifantohany ady hevitra teto dia hita fa tsy anisany nanatrika izany ny avy eo anivony zone urbaine sy ny zone suburbaine .
Fa mbola voaresaka teto ihany koa ny mikasika ny fitaterana eto Andrenivohitra izay tsy misy fivoarana hatreto , mbola betsaka hoy ny filohany fikambanana miaro ny zony mpanjifa ny asa miandry .
Marihina fa mbola hisy ny fihaonana ho tanterahana eny anivony Ministera amin’io herinandro io hahafahana maneho hevitra mikasika ity olany fitaterana ity .
Hatreto tsy mikely soroka ary vonona handray ny andraikiny tanteraka ny avy eo anivony Fimzompam mikasika ny fanatsarana ny tontolony fitaterana ,ary efa Alaina sary avokoa ireo fiara tsy manara-dalana rehetra mandritra ny fisavana hatao.

A VOIR AUSSI :
http://gasikara.info
  / gasikara.info  

Комментарии

Информация по комментариям в разработке