Nate Tex - Pejy Faharoa - Karaoké

Описание к видео Nate Tex - Pejy Faharoa - Karaoké

Ry foko, mangina aza tomany
Aza minia akory ny mba manontany
Hoe aiza ilay toerana iray izay hiorenako hatrizay
Fandrao, sao tapitr'aina ianao

Ry foko eny ianao navela irery
Tsy notsaroina fa nariana teny ho eny
Ilay niandrandra fifaliana, toa nianjady fahoriana
Mitonia, f'izay no iainanao ety

Réf:
Ataovy ao an-tsainao, ny ampitso tsy ho hay
Tsy atao hampihemotra intsony izay vita izay
Fa mandrosoa, katsaho ny soa, dia ireo taloha, soloy pejy faharoa
Fa androany ianao mijaly ampitso ianao hifaly
Reo soa nataonao tany any andro ho voavaly
Oh mitonia, ry foko tia
Indray andro any, hisolo ilay fitia, ary ho doria

Ry foko, raha tojo fiainam-baovao
Ka hanavao eto indray ny fiainanao
Ireo izay tsy nety sy izay rehetra tsy kinasa aleo hitoetra
ho an'ilay tantara fahizay
Ry foko, mangina aza tomany
Fa misy anjara miandry anao foana any ho any
Izy efa miandry manantena fitia iray izay tsy hay fefena
Ampy hanavao, ampy hanova anao

Комментарии

Информация по комментариям в разработке