Video 39 : MBOLA MISY VE NY DEVOLY, EFA NAHITA VE IANAO?

Описание к видео Video 39 : MBOLA MISY VE NY DEVOLY, EFA NAHITA VE IANAO?

Fanahy ratsy eny amin’ny rivotra ny devoly (Efesiana 6 :12). Noho izany dia mila roahina, na izay vao mikasa, na izay efa tafiditra, na amin’ny toerana na amin’ny olona. Tsy mbola nahita maso ny devoly sy ny endriny izahay roa vavy. Na izany aza dia mijoro vavolombelona ny fisiany, tamin’ny fiainanay maha mpiandry sy maha zanaky ny fifohazana anay.

Ny fiainany maha Mpiandry sy tao amin’ny Fifohazana ary ireo fihaonany sy ireo fahafantarany an’i Mama Nenilava indray no hifampizarana mitohy amin’ity tapany faharoa iarahana amin’i Rev. Dr. Emma Claire, vahiny N°10 Emma eto amin’ny pejy Zava-manahiran’ny vehivavy ity. Tsy naniry na nanampo ho voatokana ho mpiandry izy, na dia nahazo teny fikasana ho dokoteran’ny fanahy tamin’ny alalan’i Mama Nenilava aza.

Betsaka ireo efa nanoratra momba ny Fifohazana, na Vazaha na Malagasy, na amin’ny sehatra akademika na amin’ny sehatra hafa. Tsikaritra anefa fa amin’ny sehatra iraisam-pirenena dia vitsy ireo Malagasy mandray anjara amin’ny fijoroana vavolombelona amin’ny fiainany maha mpiandry sy tao amin’ny Fifohazana. Noho izany dia zava-dehibe ny hiraketana an-tsoratra sy an-tsary ireny tantara marina ireny, mba tsy hiainantsika taranaka ankehitriny amin’ny honohono fotsiny.

Amin’izao vaninandro iainantsika izao dia efa mihavitsy kokoa ireo tena nahita maso sy nanana fifandraisana tamin’ireo raiamandreny nanorina sy nitarika ny fifohazana :
Soatanana : Dada Raisoalambo
Manolotrony : Neny Ravelonjanahary
Ankaramalaza : Mama Nenilava
Farihimena : Dadatoa Rakotozandry Daniel.

Noho izany dia fandraisana anjara amin’ny fitehirizana izany lova sarobidy natolotr’Andriamanitra ho antsika Kristiana Malagasy izany ity fizarana mitohy, izaranay sy Rev. Dr. Emma ny fiainanay manokana amin’ny maha Mpiandry, zanaky ny Fifohazana anay ity.

Комментарии

Информация по комментариям в разработке