Embona sy Hanina - Mahaleo (Dadah)

Описание к видео Embona sy Hanina - Mahaleo (Dadah)

Artistes: Mahaleo
Album: Mama Sera
Genre: Folk, World & Country
Sortie: 2007
song list:
1. Anjely (Dama)
2. Embona sy Hanina (Dadah)
3. Mianara Miaina (Raoul)
4. Post-Scriptum (Bekoto)
5. RN35 (Mama Sera) (Dama)
6. Rano sy Vary (Dadah)
7. Mipololotra (Raoul)
8. Renin-Drainivoanjo (Bekoto)
9. Orimbato (Dama)
10. Tsy Misy ny Doria (Dadah)
11. Kat'mi (Raoul)
12. Vatolahy (Bekoto)
13. Ambodibonara (Dama)
14. Mbola Irery (Dadah)
15. Miverena Modia (Raoul)
16. Madagasikara (Bekoto)
17. Ravorondreo (Mahaleo)

Embona sy hanina,
Tsiahy mahafanina
Ngoly ny fo mamelovelo,
Madisadisan'alahelo.
Ny havoana tazanina,
Tsy hita ho dinganina
Fa lavitra loatra ianao ka tsy tratra
Ny aina marary ny fo maratra.

Fa ny antsoko ny akony no mitampody
Te hihiaka mafy anie aho fa tsy tody
Izay jerena toa manjavozavo
Rako-drahona sy vohitra avo.

Fa mahery sy masiaka ny onja
Tsy lakana afaka hitondra
Ny maso no alefa maminany
Hibanjina anao any ho any.

Alahelo sy toloko,
Rehefa injay tsaroko
Fa noho ny hasomparan'ny tany,
Izaho aty ianao lavitra any

Tsy azo hiadiana ny anjara,
'zay ngamba no noheveriny ho tsara
Izaho tsy ho kivy tsy ho ketraka
Na dia mangidy mavesatra.

Fa ny ahy dia fitia tena marina
Na anaty onaona aza ho tafarina
Na halevina mety mandifotra olona
Hiposaka, haniry, hamololona.

Ny hany hafatro dia ny hoe matokia
Fa izaho tsy hitsahatra ny ho tia
Ny halavirana sy ny taona
Tsy hahasakana antsika tsy hihaona.

Комментарии

Информация по комментариям в разработке