SAROBIDY Tsy maintsy tongako (Fascination) PAZZAPA KIDS

Описание к видео SAROBIDY Tsy maintsy tongako (Fascination) PAZZAPA KIDS

PAZZAPA KIDS 2016

Andao fa ho entiko any ianao hijery ilay tanananay
fa miorina an-tampon-kavoana izy voadidin’alaala
no sady mangina koa

fa làlan-tsarotra tokoa no ho diavintsik’izao
aoka ho tantanako ianao
tsy tongan’ny fiarakodia
lalan-kely no manjohy miakatra
ny mankany aminay

tsy maintsy tongako any ianao fa ef’izay no tanjoko
’lay trano bongon’ny fitia no nomaniko ho vantaninao any e

ny masoandro efa madiva hilentika
ka mety ho tratra andro hariva ihany izaho sy ianao
fa raha sendra hatsika mamirifiry
dia mbola eto anilanao aho hanome hafanana

ny aty anie tsy mba sahala ilay any aminareo
mahantra rendrarendra
tsy mba ory fitia

Комментарии

Информация по комментариям в разработке