Nantsoin'ny Tompo hitory ny Filazantsara ianao (Matio 10.1-15 - Pasteur Razafiarison Emilien)

Описание к видео Nantsoin'ny Tompo hitory ny Filazantsara ianao (Matio 10.1-15 - Pasteur Razafiarison Emilien)

Mana isanandro vokarin'ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara

IZA NO HIRAHIKO ?

1. "Iza no hirahiko, ary iza no handeha ho irakay? " Dia hoy izaho: "Inty aho, iraho aho."

2. Fiadanana ho anareo; tahaka ny nanirahan'ny Ray Ahy no anirahako anareo kosa.

3. Koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatra ny firenena rehetra

4. Mandehana any amin'izao tontolo izao ianareo, ka mitoria ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra.

5. Ary mba hotorina amin'ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin'ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema.

6. Ka amin'ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin'ny fampianaranao maneho ny tsy faharatsiana, ny fahamaotinana,

7. Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona anao noho ny hatanoranao; fa aoka ho tonga fianarana ho an'ny mino ianao amin'ny fiteny, amin'ny fitondran-tena, amin'ny fitiavana, amin'ny finoana, amin'ny fahadiovana.

8. Fa ianao kosa mahonona tena amin'ny zavatra rehetra, miareta fahoriana, ataovy ny asan'ny evanjelista, tanteraho ny fanompoanao.

9. Fa raha mitory ny filazantsara aho, dia tsy misy ho reharehako, satria tsy maintsy manao izany; fa lozako, raha tsy mitory ny filazantsara aho !

10. Hataony ahoana àry no fiantso izay tsy ninoany ? Ary hataony ahoana no fino izay Olona tsy reny ? Ary hataony ahoana no fandre, raha tsy misy mpitory ?

11. "Ry zanak'olona, efa nataoko mpitily ho an'ny taranak'i Israely ianao; ka dia hohenoinao ny teny avy amin'ny vavako, ary avy amiko no hananaranao azy.

12. Koa dia iraka solon'i Kristy izahay, toa an'Andriamanitra mampangataka anay aminareo, solon'i Kristy izahay ka mangataka indrindra aminareo hoe: mihavana amin'Andriamanitra anie ianareo.

13. Fa mpiara-miasa amin' Andriamanitra izahay; ary sahan'Andriamanitra sy trano arafitr'Andriamanitra ianareo.

14. Tsara izany, ry mpanompo tsara sady mahatoky; nahatoky tamin'ny kely ianao, dia hotendreko ho mpanapaka ny be; midira amin'ny fifalian'ny tomponao.

15. Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin'olona aho? Raha mbola mila sitraka amin'olona aho, dia tsy mpanompon'i Kristy.

16. Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy i Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany."

17. Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: "Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia"; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.

18. Simona, zanak'i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan'ireto?" Hoy izy taminy: "Eny, Tompoko; Ianao mahalala fa tia Anao aho." Dia hoy Izy taminy: "Fahano àry ny ondrikeliko."

19. "Be ny vokatra, fa ny mpiasa no vitsy; koa amin'izany mangataha amin'ny Tompon'ny vokatra mba hampandehanany mpiasa hamory ny vokatra.

Ireo Boky sy Toko ary ny Andininy ahitana ireo VERSETS ireo ao @ Baiboly :

(1) Isaia 6 : 8
(2) Jaona 20 : 21
(3) Matio 28 : 19
(4) Marka 16 : 15
(5) Lioka 24 : 47
(6) Titosy 2 : 7
(7) I Timoty 4 : 12
(8) II Timoty 4 : 5
(9) I Koritiana 9 : 16
(10) Romana 10 : 14
(11) Ezekiela 3 : 17
(12) II Koritiana 5 : 20
(13) I Koritiana 3 : 9
(14) Matio 25 : 21
(15) Galatiana 1 : 10
(16) Asa 1 : 8
(17) Matio 10 : 7 – 8
(18) Jaona 21 : 15
(19) Lioka 10 : 2

****************************

MES 5 PAGES ÉVANGÉLIQUES :

1. MES VERSETS BIBLIQUES PRÉFÉRÉS DR:
  / mesversetsbibliquespreferesdr  

2. MES ESPACES ÉVANGÉLIQUES DR :
  / mesespacesevangeliquesdr  

3. MES VIDÉOS ÉVANGÉLIQUES DR :
  / mesvideosevangeliquesdr  

4. TSARA NY TOMPO ISANANDRO DR :
  / tsaranytompoisanandrodr  

5. HOAVY KRISTY, VONONA VE HIANAO ? DR

  / hoavyikristyvononavehianaodr  

CONTACT :

1. TÉLÉPHONE / WHATS APP : +261. 34.09.759.39

2. E- MAIL : [email protected]

3. LINKED IN :   / doctor-rivolala-andrianantoavina-5199594b  

4. TWITTER :   / docrivolala  

5. INSTAGRAM :   / rivolalaandrianantoavina  

6. FACEBOOK :   / docteurrivolala  

7. ASSOCIATION CALDEN : http://caldenmadagascar.blogspot.com/...

JÉSUS VOUS AIME. (Gal. 2 :20)

QUE DIEU VOUS BÉNISSE ABONDAMMENT (Déo. 28)

Комментарии

Информация по комментариям в разработке