RIO TINTO QMM - Billiongate "Miliara afa-drakotra"

Описание к видео RIO TINTO QMM - Billiongate "Miliara afa-drakotra"

Hatramin’ny nisian’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ataon’ny orinasa Rio Tinto QMM ao Taolagnaro, dia tsy mbola nanolotra ny kaonty fitantanam-bolany teny anivon’ny Fitsaràna ara-bola, araka ny voalazan’ny lalàna manan-kery ny kaominina ambanivohitra Ampasy Nahapoana sy Mandromodromotra izay anisan’ny mpahazo tombotsoa amin’ny tamberim-bidy avy amin’ny orinasa QMM.

Ity fanadihadiana fanatsikafonana natao ity, no kitika niteraka ny tranga nahatonga ny Fitsaràna ara-bola ao Toliara nanokatra fanadihadiana ara-pitsaràna momba ny kaonty fitantanam-bola ao amin’ny Kaominina Ampasy Nahapoana sy Mandromodromotra.
Araka ny fanazavana avy amin’ny mpanolotsaina iray eo anivon’ny Fitsarana ara-bola any Toliara, dia ny Fitsarana ara-bola any Maroc no manao tantsoroka amin’ny fanatanterahana ny fanadihadiana ka handefa Mpitsara ara-bola hiara-miasa amin’ny Mpitsara ara-bola ao Toliara.
Efa nanomboka ny volana Mai 2023 teo ny fanomanana ny fanadihadiana iarahan’ny Fitsarana ara-bola any Toliara sy ny Mpitsara avy amin’ny Fitsarana ara-bola any Maroc. Ny volana Aogositra 2023 izao ny fidinana ifotony ary ny volana janoary 2024 no heverina fa hivoaka ny tatitra feno momba ny fanadihadiana ara-pitsarana.

Nandritra ny dimy volana, nanomboka ny volana jona2022 hatramin’ny oktobra 2022 no nanatontosana Ity horonantsary fanadihadiana ity ary nifantoka tamin’ny fitantanam-bola tao amin’ny kaominina Mandromodromotra sy Ampasy Nahapoana. Mbola mitohy amin’ny fanaovana fanjohiana ny fanadihadiana, hatramin’izao fotoana amoahana ny horonantsary izao.

Комментарии

Информация по комментариям в разработке