Ambatovy | Fampandrosona manalasala

Описание к видео Ambatovy | Fampandrosona manalasala

Ity horonantsary fanatsikafonana ity dia miresaka ny toe-draharaharan'ireo olona ifotony izay nipetraka taloha teo amin'ireo toerana fitrandrahana nikela ao Ambatovy, any amin’ny faritra Alaotra Mangoro.

Na dia eo aza ny fifanarahana momba ny fikarakarana sy ny tambin-karama azon'ireo mponina ireo, dia niharatsy ny toe-piainan'izy ireo. Ho an’ireo vondrom-piarahamonina ireo, ny tany omen’ny orinasa mpitrandraka harena an-kibon’ny tany dia tsy mahafeno ny filan’ny vokatra ara-pambolena, izay fototry ny fidiram-bolan’ny fianakaviana nafindra toerana.

Ao koa ireo tsy mahita tombotsoa amin'ireo tetikasa sosialy - toy ny fananganana tsena - izay, ho an'ireo vondrom-piarahamonina ireo, dia tsy mifanaraka amin'ny andrasan'izy ireo.

Комментарии

Информация по комментариям в разработке