Poopy-kanto ( HQ audio)

Описание к видео Poopy-kanto ( HQ audio)

Vao nahita anao nihelina nandalo aho
Dia efa babonao noho ny antony tsy fantatra
Tsy dia hoe noho ny endrikao
Raha vao jerena nanaitra ahy
Fa noho ireo fijerinao
Fitsikinao tsy mankalao

Vao nanomboka nahita anao, babo aho
Fa misy hatsarana lalim-paka anatinao
Izany angamba no lafatra
Na dia tsy misy ny tanteraka
Tena kanto ny hatsaranao
Misaora ilay Nahary ianao

Manana anjara amin'ny fiainana aho
Manana tombony
Milamindamina manana anao
Hiaraka
Manana anjara amin'ny fiainana aho
Manana tombony
Milamindamina manana anao
Hiray làlana

Ts'isy fitaka ny endrikao ivelany
Fa taratry ny ao am-ponao izay rehetra asehoany
Tsy dia hoe manidrahindra sanatria
fa velon-kira fa ny kano any aminao
Manerana ny fiainanao

Комментарии

Информация по комментариям в разработке