𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 - 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐀𝐎 (Unplugged 2021 . Sehatra.Com)

Описание к видео 𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 - 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍𝐀𝐎 (Unplugged 2021 . Sehatra.Com)

AMORONAO
Omeo ny tsikinao hifaliako amin'ny fiainako
Dia omeo ny feonao aho mba hihira fitia ato anatiko
Fa ny tsikitsikinao iny, no zava-tsy foiko indrindra
Ilay hirahiranao iny no porofom-pitia aminao

Isan'andininy :
Omeo tsiky sy hira kely aho raha tia ahy ianao
Fa ny fikambanantsika roa no toa rôpilany
Miezaka hisondrotra hatrany hanakatra ny avo

Omeo ny masonao hijereko ny lalako
Omeo ny tananao mba hiazona ahy tsy ho solafaka
Fa ny jerijerenao iny, ny hata-masonao 'lay manjamanja
Ny fitantananao iny, ny tananao misafosafo an-dalana
Omeo maso sy tanana kely aho raha tia ahy ianao

Hividianako "chocolat"
Hitondrako "vespa"
Hotolorako vatomamy
Tambazako lambahoany
Tsy havelako izay harary n'inona n'inona
Fa ho ody tazo ho an-dry ny "nivaquine"
Voninkazo zakarandah no hamenoantsika ny "agenda"
Tsy ho resahiko pôlitika
Tsy ho resahiko fivavahana
Fa ho ampireveko THB, mba ho soa ny fiarahana
Hividianako "saucisson"
Hijerentsika "vidéo"
Hampireveko "la glace", sy "jus"-na mananasy
Fa tiako ny amoronao

Tonony sy feony : Samoëla RASOLOFONIAINA
Raki-peo : MANATOSAKA ( MARS 1999 )

Комментарии

Информация по комментариям в разработке