𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 - 𝐒𝐄𝐗𝐘 𝐆𝐈𝐑𝐋 (Unplugged 2021 . Sehatra.Com)

Описание к видео 𝐒𝐀𝐌𝐎𝐄𝐋𝐀 - 𝐒𝐄𝐗𝐘 𝐆𝐈𝐑𝐋 (Unplugged 2021 . Sehatra.Com)

SEXY GIRL
Zaza niara-kely teny Ambondrona
Niara-nanary fako fony bodo
Niara-nisondrotra, niara- nitombo
Dia niara-nitsiry koa ny fitia
Ka niaraka nibalady
Tafiakatra avo be ny maripana
Dia nifanao dina ny hiara-dia,
Samy nivetsovetso fa hivady
Ny maraina dia efa ateriko an-tsekoly
Mifampiandry koa raha hody ny hariva
Fa 17 taona tsara in-dry, no nanaraka an-dry zalahy
Tany amin'ny "Amnesia"
Nanomboka teo ianao no tia nandihy
Nanaraka an-dry zalahy "Indra"
Nanaraka an-dry zalahy "Kaledo"
Nanaraka an-dry lerony koa "Caveau"
Dia nihanika samirery "Papillon"
Niaraka taminao ny sinoa
Niaraka taminao ny karana
Vazaha be koa ny tao afara
Lasan-dry lerony iry akamako
Lasan-dry lerony ity fananako
Novetavetain'ny vazaha ity anjarako
Fa efa lasany dia tsy ho averiny eto intsony
Lasany dia nasidiny any ambony
Zaho indray no noraisina teto ry ireto!
Teo ianao no noraisina!
Fa sexy girl!

Dia tsy tsaroanao ve retsy
Ianao natosiko tamin'ny kaesy taloha
Ankehitriny aho efa voa ka hizestiavanao "Mercedes"
Dia tsy tsaroanao ve retsy
Isika sy ianao nifanolotra voan-tsinefy tetsy Ambidifilao
Nony ankehitriny ianao no tsy misotro raha tsy "Fresh"
Zaho tsy mahatakatra CDn'i "Mariah Carey" hanambazako anao ry sipa
Fa raha tia ahy ianao "Gorisagorisa" revena hoy aho
Aza asiana fanazavana ara-tsiantifika
Efa fantaro ny toetranao fa toetran'alika
Aza asiana taratasy manazava mankany an-trano
Fa tsy ho vakiako akory, fa tonga dia dory!
Fa efa koboko ianao, koboko tamin'ny fahitalavitra
Efa koboko ianao fa manao "Clip" amin'ny tarika hafa
Efa koboko ianao manao "manequin"n'ny "Agence Totem"
"En plus"n'izay kilalaon'ny vazaha koa ianao fa sexy girl!
Tsy mahalala menatra intsony fa efa babon'ny vola ny fony
Ka raha any amin'ny vazaha ny vola
Dia raha tsy vazaha tsy hidola!
Raha any amin'ny karana ny vola
Dia raha tsy karana tsy hidola!
Raha any amin'ny sinoa ny vola
Dia raha tsy sinoa tsy hidola!
Fa sexy girl!

Dia lasanao any mihitsy ny "inspiration"-ko ry Kala ianona iny!
Rahoviana ary ianao vao hitako amin'ny "magazine":
"Video 7", na "OK! Podium", na "Play boys"
Fa sexy n'i "Tananarive" ianao tsy hihoatra an'i Gasikara
Ny tokotaninao tsy hisy afa-tsy Antaninarenina, dia Tsaralalana
Tsy ho lasa lavitra amin'io taranja io izany ianao ry Kala ianona 'ty an!
Dia tsy hiandry anao intsony hono i Samoëla
F'efa dila ny ela sy ny ela!

Ny lasa tsy hiverina intsony, na dia naratra ny fony
Ny ho avinao no iantsoany tody
Dia varatra sy ozona, tsatok'antsy sy poizina
No indray hianjera aminao iny!
Ho valin'ny fahiny,
Hanafaka tsiny, sy ho tambin'ny anao virijiny!
Fa sexy girl

Tonony sy feony : Samoëla RASOLOFONIAINA
Raki-peo : MAMPIREVY ( MARS 1997 )

Комментарии

Информация по комментариям в разработке