Tantara Malagasy - HARENAN'I RAMATAHORA (Tantaran'ny Radio RDB) Tantara Indray Mihaino

Описание к видео Tantara Malagasy - HARENAN'I RAMATAHORA (Tantaran'ny Radio RDB) Tantara Indray Mihaino

HARENAN'I RAMATAHORA
Atolotr'i Radio Don Bosco

Mpinamana niara-nianatra tany Antananarivo i Tovo sy Dera ary Seheno, nampan-kevitra ny hiala sasatra any amin'ny toerana niavian'i Dera izay misy ny ray aman-dreniny. I Dera sy Seheno dia mpifankatia ary manana fikasàna ny hivady. Noraisin'ny ray niteraka an'i Dera tamin'ny hafaliana izy telo mianadahy. Nisaram-panambadiana i Tovo, naneho fahavononana hanampy azy amin'ny fitadiavam-bola hivelomana ny rain'i Dera, ary nanampy azy koa ity farany.

Misy fikambanan-jiolahy mikendry ny handroba ny harenan'ireo mpiray tanàna amin'i Dera sy ny rainy. Nandeha nitsangatsanga izy telo indray andro, ala matevina no nitsofohan'izy ireo, diso lalana ry zareo rehefa hivoaka ny ala ary tojo fahasahiranana. I Ramatahora mpimasy no kendren'ireo dahalo ho robaina noho io rangahy io mpanefoefo, mpangoron-karena, mpambotry ny fiaraha-monina. Tafatsoaka niaraka tamin'ny vady aman-janany anefa Ramatahora na nisy aza ny fanafihana. Tonga nitady famonjena tao amin'i Dera ry Ramatahora rehefa nitsaoka avy any amin'ny ady tamin'ireo dahalo, nitondra ny harena toa ny volamena...

Mpanoratra : Soza Marie Yollande

Mpilalao :
Holy
Faly
Synèse
Régis
Bruno
Eric
Rakoto

Nandray feo : Tovo Razanamamonjy

Mpanatontosa : Anjahariliva

Tantaran'i Radio Don Bosco
Tantara indray mihaino

Комментарии

Информация по комментариям в разработке